Aller au contenu

Armstrôngisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny armstrôngisma dia fampianarana sy fotopampianaran' i Herbert W. Armstrong fony izy mpitarika ny Fiangonan' Andriamanitra Maneran-Tany (fiteny anglisy: Worldwide Church of God -- WCG). Ny fampianarany dia nambarany sy ny mpanara-dia azy fa ny Filazantsaran' ny Baiboly marina naverina amin' ny laoniny. Nilaza i Armstrong fa izany dia nasehon' Andriamanitra azy nandritra ny fianarany ny Baiboly. Ny teny hoe Armstrôngita indraindray dia ampiasaina hilazana ny mpanaraka ny fampianaran' i Armstrong. Ny armstrôngisma sy ny Armstrôngita dia heverina ho manambany amin' ny ankapobeny ho an' ireo izay ampiharana azy, izay misafidy ny hoe mpikambana ao amin' ny Fiangonan' Andriamanitra (Church of God -- COG). Ireo fampianarana ireo koa dia notohanan' ny zanany lahy Richard David Armstrong (mandra-pahafatiny tamin' ny 1958) sy Garner Ted Armstrong (mandra-pahafatiny tamin' ny 2003) izay misy fiovana kely.

Ny fampianaran' i Herbert Armstrong dia mitovitovy amin' ny an' ny Milerita sy ny an' ny Fiangonan' Andriamanitra (Andro Fahafito) (anglisy: Church of God (Seventh Day), indraindray antsoina hoe "COG7" mba hanavahana azy amin' ny fiangonana mitovitovy anarana aminy antsoina hoe "Fiangonan' Andriamanitra" izay mivavaka amin' ny andro Alahady ary amin' ny ankapobeny dia mifikitra amin' ny fampianarana kristiana nentim-paharazana.), izay niavian' ny WCG ara-panahy sy ara-pandaminana. Ity fivavahana ity dia fifangaroan' ny fondamentalisma kristiana sy ny tsy finoana ny Trinite ary ny foto-pinoana sasany amin' ny jodaisma sy ny fampianarana momba ny Sabatan' ny andro fahafito. I Armstrong tenany dia minisitra COG7 talohan' ny nanesorana azy tamin' ny maha minisitera azy tamin' ny fihaonambe tao Oregon ary nanesorana azy tsy ho anisan' ilay fiangonana noho ny fikatsahany handrava sy hanova ny fotopampianaran' ny COG7 efa niorina tao efa ela. Tamin' ny fararanon' ny taona 1937 no nesorin' ny fikambanan' ny Fiangonan' Andriamanitra ao Salem ny fahazoan' ny rahalahy Armstrong miasa. Ny antony nomen' ny Filankevitry ny Kônferabnsa Roa Ambin' ny Folo tao Oregon nataon' ny Fiangonan' Andriamanitra, Andro faha-7 (COG7) ho an' ity hetsika nailihana an' i Herbert W. Armstrong ity, dia noho izy nampianatra sy nitandrina ny andro firavoravoana isan-taona. Ny tena antony anefa dia toa noho ny toe-tsainy tsy dia itena tia fiaraha-miasa. Nanomboka ny fanompoany manokana avy eo i Armstrong.

Nampianatra i Armstrong fa ny ankamaroan' ny fotopampianarana sy fampianarana fototra ao amin' ny kristianisma mahazatra dia mifototra amin' ny fomban-drazana, anisan' izany ny hevitra sy ny fombafomban' ny paganista (izany hoe ny sinkretisma ara-pivavahana), fa tsy ny Baiboly jodeô-kristiana. Niteraka resabe àry izany fampianarany izany. Fotoana fohy taorian' ny nahafatesan' i Armstrong tamin' ny taiona 1986, ny Fiangonan' Andriamanitra Maneran-Tany dia nanomboka nanavao ny finoany fototra momba ny hevitra sy ny fotopampianarana ary ny fanekem-pinoan' ny kristianisma mahazatra. Izany dia nahatonga ireo minisitra sy mpikambana maro nandao ny WCG mba hanorina na hiditra amin' ny fiangonana hafa, ka maro amin' izy ireo ny manohy mino sy mampianatra ny fotopampianaran' i Armstrong amin' ny ambaratonga iray na hafa. Tamin' ny taona 2009, ny WCG dia nanova ny anarany ho Grace Communion International (GCI). Amin' izao fotoana izao, ny fotopampianarana ôfisialin' ny GCI dia evanjelika mahazatra, na dia mbola misy minisitra sy mpikambana ao amin' ny GCI aza izay tsy manaiky tanteraka ny fiovana rehetra.