Apôkalipsy faharoan' i Jakôba

Avy amin'i Wikipedia

Ny Apôkalipsy faharoan' i Jakôba dia asasoratra gnôstika, izay famelabelarana fahefatra ao amin' ny Codex V ao amin' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi, mipetraka avy hatrany ao aorian' ny Apôkalipsy voalohan' i Jakôba. Safidin' ilay mpanao asasoratra niniana natao ilay filaharana, satria ny asasoratra voalohany dia manomana an' i Jakôba Ilay Marina ho amin' ny fahafatesany maritiora, ary ny lahatsoratra faharoa kosda dia milazalaza amin' ny antsipiriany ny fahafatesany. Azo inoana fa nadika manodidina ny taona 300 taor. J.K. avy amin' ny dika fototra grika nosoratana manodidina ny taona 150 taor. J.K. (mety ho taloha kokoa noho ilay Apôkalipsy voalohany). Ao amin' ny lahatsoratra, i Jakôba dia manompo amin' ny maha-mpanavotra gnôstika azy izay tsy nahomby tamin' ny fandresen-dahatra ny olona hahatakatra ny hevitr' Andriamanitra talohan' ny nahafatesany maritiora.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]