Andro Mesianika

Avy amin'i Wikipedia

Ao amin' ny fivavahana abrahamika, ny Andro Mesianika (hebreo: יְמוֹת הַמָּשִׁיחַ / yemot haMashiach) dia vanim-potoana hoavy eto an-tany izay hanjakan' ny Mesia ary hitondra fiadanana sy firahalahiana ho an' ny rehetra, tsy hahitana ratsy na kely aza. Maro no mino fa hisy tokoa ny vanim-potoana toy izany; misy milaza azy io ho fahatanterahan' ny "Fanjakan' Andriamanitra" na ny "Tontolo hoavy". Mino ny Jiosy fa mbola ho avy io olona io, fa ny Kristiana sy ny Mozilmana kosa dia mino fa i Jesoa Kristy izany Mesia izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]