Amisy

Avy amin'i Wikipedia
Fitaterana nentin-drazana amisy any Lancaster County, Pennsylvania (Etazonia).

Ny Amisy dia vondrom-poko ara-pivavahana kristiana manam-piaviana jermanika. Fantatra amin' ny fiainany tsotra sy milamina ary henjana, miaro ny tenany amin' ny fandrosoana sy ny fitaoman' ny tontolo ivelany izy ireo.

Avy amin' ny Anabatista soisa indrindra, izay nanorim-ponenana tao Alsace ny sasany, naorin' i Jakob Amman tao Sainte-Marie-aux-Mines tamin'ny 1693 ary noroahina avy tao Alsace ny ankamaroany tamin' ny taona 1712 taorian' ny didy avy amin' i Louis XIV, ny vondrom-piarahamonina Amisy ankehitriny dia hita indrindra any Amerika Avaratra izay mitombo be ny isan' ny mpikambana ao aminy.

Tany Frantsa, tsy nisy afa-tsy 3 000 teo ho eo ny Amisy tavela tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Ireto farany dia nanamafy ny fanjavonan' ny sampana frantsay tamin' ny taona 1907 tamin' ny fifidianana ny hiverenan' izy ireo ho ao amin' ny Menônita. Ny fitsipika voalohany amin' ny Amisy ny hoe: "Aza manaraka ny tontolo manodidina anao ianao."