Afrobaromètre
Ny Afrobaromètre dia sehatra fandalinana tsy tapaka ataon' ny tambajotram-pikarohana panafrikana, mahaleo tena ary tsy miandany, izay manao fitsapana ny hevitry ny daholobe momba lohahevitra ara-toekarena, ara-pôlitika ary ara-tsôsialy manerana an' i Afrika. Izy io dia noforonina tamin' ny taona 1999 tamin' ny fampivondronana tetikasa fikarohana telo notarihan' i Michael Bratton sy i Robert Mattes ary i Emmanuel Gyimah-Boadi. Tamin' ny taona 2019 izy dia notarihin' i E. Gyimah-Boadi.
Fiaraha-miombona antoka
[hanova | hanova ny fango]Ny Afrobaromètre dia novokarina tamin' ny alala' ny fiaraha-miombona antoka eo amin' ny Center for Democratic Development ao Gana, ny Institute for Justice and Reconciliation ao Afrika Atsimo, ny l'Institute for Empirical Research in Political Economy ao amin' ny l'African School of Economics any Abomey-Calavi ao Benino, ny l'Institute for Development Studies ao amin' ny Oniversiten' i Nairobi, ao Kenia, ny Institute for Democracy, Citizenship and Public Policy in Africa ao amin' ny Oniversiten' i Cap ary ny Deparment of political science ap amin' ny Oniversiten' i Michigan.
Fomba fiasa
[hanova | hanova ny fango]Ny angon-drakitra dia voangona amin' ny alalan' ny dinidinika mivantana, izay atao amin' ny santionan' olona miisa 1 200, 1 600 na 2 400 isaky ny firenena. Ny fanontaniana dia mitovy ho an' ny firenena iray mankany amin' ny iray hafa ary azo atao ny fampitahana. Arahi-maso ara-potoana ny fironan' ny hevi-bahoaka.
Ny angon-drakitra mandrakotra ny vanim-potoana 1999-2015 dia azo alaina ankehitriny noho ny fiaraha-miasa amin' ny laboratoara fikarohana AidData, mandrakotra ny andiany (série) 1 ka hatramin' ny 6. Tamin' ny taona 2019, andiam-pandalinana fito no natao, izay nahitana firenena roa ambin' ny folo ka hatramin' ny enina amby telopolo, miampy fitsapan-kevitra voafetra kokoa.
Ny fanadihadiana hafa, natao tamin' ny 1993 tany Zambia ary tamin' ny 1994 tany Afrika Atsimo, dia notarihin' ny Institute for Democracy in Africa, iray amin' ny mpanorina ny Afrobaromètre. Ny andiany 1 dia mandrakotra firenena 12 eo anelanelan' ny Jolay 1999 sy Jona 2001. Ny andiany 2 dia mandrakotra firenena 16 teo anelanelan' ny Mey 2002 sy Ôktôbra 2003. Ny andiany faha-3 dia natao tany amin' ny firenena 18 teo anelanelan' ny Marsa 2005 sy Febroary 2006. Ny andiany faha-4 dia mandrakotra firenena 20 eo anelanelan' ny Marsa 2008 sy Jona 2009. Ny andiany faha-5 dia mandrakotra firenena 35 eo anelanelan' ny 2011 sy Septambra 2013. Ny andiany faha-6 dia mandrakotra firenena 36 sy ny vanim-potoana manomboka amin' ny Marsa 2014 hatramin' ny Desambra 2015. Ny andiany faha-7 dia mandrakotra firenena 34 sy ny vanim-potoana manomboka amin' ny Desambra 2016 ka hatramin' ny Jona 2018. Ny Afrobaromètre amin' izao fotoana izao dia mirakitra lohahevitra fito ambin' ny folo.