Ôsetia an' i Alania Avaratra

Avy amin'i Wikipedia

I Ôsetia an' i Alania Avaratra na Repoblikan' i Ôsetia an' i Alania Avaratra na Ôsetia Avaratra dia repoblika ao amin' ny Federasiônan' i Rosia, any Kaokazia Avaratra. Ny mpifanolo-bodirindrina aminy dia ny Repoblikan' i Ingosetia any atsinanana, ny Repoblikan' i Kabardinô-Balkaria any andrefana, ny Krain' i Stavropol any avaratra, ary i Jeôrgia sy i Ôsetian' i Alania Atsimo any atsimo. Ny renivohiny dia i Vladikavkaz (izay atao hoe Vladicaucasus indraindray). Amin' ny teny rosiana dia atao hoe Республика Северная Осетия-Алания / Respublika Severnaïa Osetia-Alania; amin' ny teny ôsetiana kosa dia atao hoe Республикӕ Цӕгат Ирыстон-Алани, / Respublikæ Tsægat Iryston-Alani.

Avy amin' ny Repoblika Sôsialista Mizakaten' i Ôsetia Avaratra teo aloha, i Ôsetia an' i Alania Avaratra izay manana velaran-tany mirefy 7 987 km2 hatramin' ny niitarany tamin' ny taona 1944 avy any amin' ny ilany atsinanan' ny faritr' i Prigorodny ka nampihena an' i Ingosetia mpifanolo-bodirindrina, tamin' ny fotoana nanaovana sesitany ny Ingosy nataon' i Stalin.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]