Zotra Fianarantsoa-Côte Est

Avy amin'i Wikipedia



Mahabako Gara

Ny zotra Fianarantsoa-Côte Est , na FCE , dia zotran-dalamby ao Madagasikara mandalo amin'ny tanànan'i Fianarantsoa amin'ny morontsiraka atsinanan'ny Nosy, ary indrindra indrindra ao Manakara, izay ao amin'ny faritanin'i Fianarantsoa ihany koa. Mitondra ny anaran'ilay zotra ny orinasa mpitrandraka, Fianarantsoa Côte Est.

Misy zotra telo hafa trandrahana ao Madagasikara, izay ao Avaratra Atsinanan'ny Nosy, samy mifanohy ary tantanan'i Madarail.

Famaritana ilay zotra[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanjanaka frantsay no namboatra azy io tamin'ny 1926. Nalefa an-tapatapany ny zotra FCE. Avy ao Manakara hatrany Manampatrana ary mandalo an' Ambinany ny singa voalohany tamin'ny 24 Jolay 1934. Naitatra ny 1 Jolay 1935 hatrany Tolongoina ny zotra ary tanteraka ny 1 Aprily 1936 163 km no halavany, ary mandalo gara 17 ka i De Cantelou no mpandrafi-trano, misy tetezana 65 ary tonelina 48 no amin'iay zotra. 1074 m no refin'ny ao Ankarapotsy.

Araky ny taleny, Médard Rakotozavy, betsaka noho ny entana ny olona mandeha.

Fitaovana miasa[hanova | hanova ny fango]

Nahazo fitaovam-piasana avy amin'orinasan-dalamby an'olona soisa maromaro ny FCE. Ansan'ireo ny NStCM izay nanome fiaran-dalamby Gk 33, 37 ary 39 tamin'ny 1999, ary koa i LEB izay nanome fiaran-dalamby fitatera-mpandeha 18 tamin'ny 2001 ary B 17 tamin'ny 2004[1].

Zavatra mahatokana an'ilay orinasa ny maha anisan'ny farany azy mbola manana "Micheline" (fiarakodia mandeha ambony lalamby misy kodiarana rivotra) ilay orinasa.

Gara[hanova | hanova ny fango]

Sary isan-karazany[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. madagascar/TRAIN FIANA MANAKARA.JPG Sarin'ny fiarandalamby B 18 eo amin'ny zota Fianarantsoa − Manakara