Ziva (volana hebreo)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Ziva dia volana faharoa ao amin'ny tetiandro hebreo talohan'ny fahababoan'ny Jiosy na Jody tany Babilona. Nosoloana ny anarana hoe Iara (hebreo: אִייָר‎ /ʾIyyār) ny anaran'io volana io taorian'ny fahababoana. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe זיו / Ziv (midika ara-bakiteny hoe "fahazavana") ny anaran'io volana io. Ity volana ity dia manitsaka ny volana Avrily sy May. Ny volana Ziva dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 6.1; 6.37).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]