Wikipedia:Takelaka/4 2010

Avy amin'i Wikipedia

Ny Finlandy dia firenena any Eoropa Avaratra ao amin'ny vondrona eoropeanina hatry ny 1995.

Ny Finlandy dia manana amorontsiraka eo amin'ny ranomasina Baltika, indrindra eo amin'n gôlfan'i Bôtnia ary ny gôlfan'i Finlandy any atsimo. Ny tany misy an'i Finlandy dia misy any avaratry ny faribolan-tendrontany avaratra ao amin'ny faritra atsinanan'ny Fenôskandia, izy no firenenan' Eoropa avaratra any ivelan'i Skandinavia.

Ny velarantan'i Finlandy dia 338 145 kilometatra efa-mira eo anelanelan'i Rosia any atsinanany, ny Norvezy any avarany, ary ny Soeda any avaratra andrefana, io izany ny firenena faha dimy ngeza indrindran' Eoropa.

Io toerana io dia tratra ny hatsiaka ary ngazana an-tapany mandritry ny andro ririnina, ny 5,3 tapitrisa mponina isain'ny demôgrafiam-pirenena dia manao an'i Finlandy firenena anisan'ny kely hakitroka indrindra eto an-tany. Ny ankabeazan'ny olona mipetraka any Finlandy dia mipetraka any atsimo, eo amin'ny faritany atsimo, misy ny renivohitra Helsinki, sy ny tanàna ngeza indrindra, toy Espoo sy Vantaa, ao amin'ny Faritanin-drenivohitra. Ny finlandey dia manana teny ofisialy roa, ny teny finoa ary ny teny soedoa, ary ao anatin'ireo teny ireo, Suomi sy Finland ny anaram-pirenena.