Wikipedia:Takelaka/3 2010

Avy amin'i Wikipedia

Aljeria (fiteny arabo :الجزائر, fiteny tamazight: Dzayer) dia firenena any afrika avaratra, ao amin'ny faritany tenenina hoe Maghreb. Ny renivohiny dia Alger, any avaratr' Aljeria, eo amin'ny amorontsiraka Mediteraneanina. Manam-pivelarana 2 381 741 km² ny Aljeria. Izy ny firenena ngeza indrindra manana amorontsiraka amin'ny ranomasina Mediteranea ary ny Aljeria ny firenena ngeza indrindra any afrika eo aorian'i Sudan. Mizara sisin-tany miaraka amin'i Tonizia sy Libia izy any atsinanana, miaraka amin'i Mali sy Niger any atsimo, ary miaraka amin'i Maroc sy Maoritania any andrefana.

Mpikambana ny United Nations, ny Vondrona Afrikaina ary ny Ligue des Etats Arabes izy tamin'ny 1962, daty ny fahaleovantenany, hatramin'izao. Niditra tamin'ny fikambanan'ny firenena mamoaka solika (OPEP) izy tamin'ny 1969. Nandray anjara ny Aljeria tamin'ny famoronana ny Vondrona ny Magreba arabo (UMA) tamin'ny 1989.