Wikipedia:Takelaka/*/Etazonia

Avy amin'i Wikipedia

Ny Etazonia dia firenena any Amerika Avaratra izay mizara ho faritra mizakatena (state) dimampolo, distrika federaly iray ary, faritra ivelany (territory) 14. Ny firenena Kanada no manamorona azy ao avaratra, Meksika kosa avy atsy atsimo. Ny ranomasina Atlantika sy Pasifika no sisin-taniny atsinanana sy andrefana. Ny faritra iray izay atao hoe Alaska dia any avaratr'i Kanada no misy azy ary ny andian'nosy Hawaii dia any amin'ny ranomasina Pasifika. 9,7 tapitrisa kilaometatra toradroa ny fivelarantany misy azy, ary faha-efatra eran-tany izy amin'ny fivelaran-tany sy ny isan'ny mponina monina ao aminy. Izy no firenena manana toe-karena matanjaka indrindra eran-tany. (tohiny...)