Voasarimakirana

Ny voasarimakirana dia voan' ny karazana voasary atao amin' ny narana ara-tsiansa hoe Citrus limon. Raha ny fananany tsiro makirana no tena mahazatra (manana pH 2,5 eo ho eo ny ranony) dia misy amin' izy io ny mamy.
Ny voasarimakirana dia fanaovana sakafo sady fantatra fa mitondra tombontsoa maro ara-pahasalamana. Rehefa masaka ity voankazo ity dia misy hodiny izay miova avy amin' ny maitso mankany amn' ny mavo mavo rehefa tratran' ny hatsiaka. Masaka izy io amin' ny faran' ny fararano sy amin' ny fiandohan' ny ririnina any amin' ny Ila Bolantany Avaratra.

Be ranony sady be vitamina C ny voasarimakirana, ka izany no mahatonga azy io ho mora tahirizina sy naha mora ny fampielezin' ny tantsambo azy io manerana izao tontolo izao. Ireo tantsambo ireo dia nampiasa azy io mba hialana amin' ny aretina vokatry ny tsy fahampian' ny vitaminina C. Ny menaka azo avy amin' ilay voankazo, indrindra avy amin' ny hodiny dia ahitana limônena sy sitrala.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Voasary (voankazo)