Victor Turner

Avy amin'i Wikipedia

I Victor Witter Turner dia antrôpôlôga britanika fantatra amin' ny fandalinany ny famantarana sy ny fanao ary ny fombafomba fiovan-tsata eo amin' ny foarahamonina. Teraka tao Glasgow (Ekôsy) tamin' ny 28 Mey 1920 izy ary maty tamin' ny 18 Desambra 1983 tao Charlottesville (Etazonia).

Noho ny Rhodes-Livingstone Institute dia nanatanteraka ny fikarohany teo anivon' ny Ndembo (Ndembu) any Zambia (Rodezia Avaratra tamin' izany fotoana izany) i Turner. Nanomboka tamin' ny fandalinana ny lohahevitra momba ny demôgrafika sy ny toekaren' ilay foko izy saingy vetivety dia nanjary liana tamin' ny fombafomba (ritoaly).