Vary amin' anana
Apparence
Ny vary amin' anana dia fomba fahandro ny vary tena mampiavaka ny Malagasy tokoa. Ny maraina no matetika fihinanana ny vary amin' anana (na dia misy ihany koa aza ireo izay mihinana azy amin' ny hariva). Ny taharo fototra amin' ny fanaovana ny vary amin' anana dia ny vary sy ny anana (afaka manao karazana anana maro isankarazany, fa ny tena fampiasa matetika dia ny anandrano) ary ny kitoza.
Fomba fahandro vary amin' anana
[hanova | hanova ny fango]- Manao saosy voatabia aloha amin' ny voalohany. Tetehina madinika daholo ny anana rehetra, arotsaka ao rehefa voasasa. Elaela kely vao tampohana rano kely sy asiana cub'or.
- Tetehina ho tapany kely ny kitoza. Dia endasina atao mendy tsara.
- Andrahoina ny vary. Rehefa ho masaka iny vao afangaro aminy ny anana sy ilay kitoza kely be dia be. Afangaro tsara. Tapohana rano kely raha maina loatra.