Thomas Bevan

Avy amin'i Wikipedia

I Thomas Bevan (teraka tamin' ny taona 1796 tany Neuadd-Lwyd any Wales ary maty tamin' ny 31 Janoary 1819 tao Toamasina eto Madagasikara) dia misiônera prôtestanta nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19. Izy dia niaraka tamin' i David Jones, mpikambana iray hafa tao amin' ny London Missionary Society, ilay nampiditra ny prôtestantisma teto Madagasikara, izay nananganany sekoly tao Toamasina tamin' ny taona 1818.

Fiainany sy asany[hanova | hanova ny fango]

Teraka tao amin’ ny vakin-tanàna iray ao Neuaddlwyd, any Cardiganshire, i Bevan, tamin’ ny taona 1796 tany ho any. Avy tao amin’ ny akany fivavahana izy, ary efa namaky Baiboly tamin’ izy valo taona. Niova fo teo akaikin' ny toeram-pambolena ao Nantgwynfynydd izy ary tamin' ny 19 Nôvambra 1810 dia lasa mpiangona tao Neuaddlwyd. Nampirisika azy hanomboka hitory ny mpitondra fivavahana Thomas Phillips (1772–1842). Nandeha tany amin' ny sekolin' i Phillips tao Pen-y-banc izy avy eo, ary tany amin' ny kôlejy (oniversite) tany Newtown taty aoriana ary niaraka tamin' i Jones tao Gosport.

Tapaka fa tokony ho aty Madagasikara izy. Notokanana tao Neuaddlwyd izy, ny 20–1 Aogositra 1817, ary nanambady an' i Mary Jones (izay nantsoina hoe Jacob talohan' ny fanambadiany) avy ao Pen-yr-allt Wen tao amin’ io distrika io ihany.

Niondrana an-tsambo nankaty Madagasikara i Bevan sy Jones niaraka tamin’ ny fianakaviany tamin’ ny 9 Febroary, ary tonga tany Maorisy tamin’ ny 3 Jolay 1818. Niondrana an-tsambo indray izy ireo, dimy herinandro taorian’ izay, ary tonga tao Toamasina, eto Madagasikara, tamin' ny 18 Aogositra 1818. Tao izy ireo no nanangana sekoly izay nahitana ankizy folo. Niverina tany Maorisy i Bevan mba haka ny fianakaviany, niverina tamin’ ny 6 Janoary 1819. Maty tamin' ny 20 Janoary ny zanak’ izy ireo, tamin' ny 31 Janoary ny tenany no maty, ary ny 3 Febroary 1819 no maty ny vadiny. Nalevina tao amin’ ny fasana tao Toamasina izy ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]