Aller au contenu

David Jones (misiônera)

Avy amin'i Wikipedia
Ny misiônera David Jones

I David Jones dia misiônera prôtestanta mpisava lalana teto Madagasikara tao amin' ny London Missionary Society tamin' ny taonjato faha-19. Nanan-talenta amn' ny haifiteny izy, ary nalaza noho ny namolavolany ny fomba fanoratana ny teny malagasy sy ny fandikana ny Baiboly ho amin' ny teny malagasy, asa izay niarahany tamin' i David Griffiths, misiônera namany. Teraka tamin' ny volana Jolay 1796 izy ary maty tamin' ny 1 Mey 1841. Izy no nampiditra ny prôtestantisma teto Madagasikara, niaraka amin' i Thomas Bevan, mpikambana iray hafa tao amin' ny London Missionary Society, ary nanangana sekoly tao Toamasina tamin' ny taona 1818.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]