Tetiandro iraniana
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny tetiandro iraniana dia ireo tetiandro nampiasaina nandritra ny taonarivo roa ao Iràna, izay fantatra koa amin'ny hoe Persia. Atao hoe گاهشماری ایرانی / Gāh-Shomāri-ye Irāni) ireo tetiandro ireo amin'ny teny parsàna. Ny tetiandro iraniana no tetiandro mirakitra tantara lava indrindra amin'ny tantaran'ny olombelona ka maro ny fanovana nifanesisesy mba hampifanaraka azy amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny toetrandro ary ny fivavahana. Tetiandro manara-masoandro ny teniandro iraniana. Ny taona iraniana dia matetika manomboka amin'ny 21 Marsa amin'ny tetiandro gregoriana.