Aller au contenu

Tenrecinae

Avy amin'i Wikipedia
Echinops telfairi

Ny Tenrecinae dia zana-pianakaviana ao amin' ny fianakaviana Tenrecidae eto Madagasikara, ahitana ny trandraka sy ny sokina ary ny sora, Ao amin' io zana-pianakaviana io no ahitana ny karazana lehibe indrindra ao amin' ilay fianakaviana, dia ny Tenrec ecaudatus (trandraka). Ny mpikambana rehetra amin' ilay vondrona dia rakotra tsilo ho fiarovana amin' ny biby mpiremby. Ny Tenrecinae dia heverina fa nisaraka tamin' ny rohim-pirazan' ny Tenrecidae hafa rehetra mbola misy tany amin' ny 36 tapitrisa taona lasa. Ny fisarahana filôjenetika lalina indrindra ao anatin' ilay zana-pianakaviana, izay eo anelanelan' ny klada roa ahitana ny Echinops miampy ny Setifer ary ny Hemicentetes miampy ny Tenrec, dia heverina fa nitranga tokony ho 26 tapitrisa taona lasa izay. Ny Hemicentetes kosa dia heverina fa nisaraka tamin' Tenrec tokony ho 16 tapitrisa taona lasa, ary ny Echinops nisaraka tamin' ny Setifer tokony ho 10 tapitrisa taona lasa izay.

Ireto ny vondron-karazana ao amin' ny Tenrecinae:

  • ny Echinops, ahitana ny karazana Echinops telfairi;
  • ny Hemicentetes, ahitana ny karazana sora Hemicentetes nigriceps sy Hemicentetes semispinosus;
  • ny Setifer, ahitana ny karazana sokina Setifer setosus;
  • ny Tenrec, ahitana ny karazana trandraka Tenrec ecaudatus.