Hankany amin'ny vontoatiny

Joda Zelôta

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tadeo avy any Edesa)
Joda Zelôta

I Joda Zelôta izay atao hoe koa Aday na Tadeo avy any Edesa dia mpiantr'i Jesosy. Araka ny lovantsofina dia nitory ny vaovao mahafaly tany amin' ny faritr' i Mesôpôtamia, indrindra tany Edesa sy tany amin' ny Fanjakan' i Armenia izy. Tsy eken' ny Eglizy Katôlika anefa ny filazana fa i Joda Zelôta no nampiely ny vaovao mahafaly tany.

Tsy mazava tsara ny amin' i Joda Zelôta satria mifanipaka ny lovantsofina maro momba azy. Manao azy ho nanorina ny Fiangonana ao Edesa ny lovantsofina tatsinanana ka anisan' izany ny Fiangonana nestôriana. Milaza kosa ny lovantsofina armeniana fa izy no nanorina ny Fiangonan' i Armenia voalohany niaraka tamin' ny apôstôly Bartôlômeo (na Bartelemy). Toherin' ny mpanao tsikera ara-tantara izany satria zavatara noforonina mba hanomezana fiaviana apôstôlika ny Fiangonan' i Armenia.

Ho an' ny lovatsofin' ny fiangonana tatsinanana sy ny ampahany amin' ny Katôlika dia tsy iza i Joda Zelôta fa i Tadeo ihany, izay atao hoe Jodasy zanak' i Jakôba araka ny hita ao amin' ny Evanjelin' i Lioka sy ny Asan' ny Apôstôly (Lio. 6:16; Asa 1:14) na Jodasy Tadeo. Ho an' izy ireo dia izy ilay atao hoe "rahalahin' i Jesoa" izay mitondra anarana sy fanampin' anarana mitovy. Ho an' ny Ôrtoôdôksa sy ny Nestôriana dia rahalahy tsy iray tampo amin' i Jesoa fa zanak' i Jôsefa tamim-behivavy hafa tsy i Maria i Joda Zelota. Mihevitra kosa ny Katôlika fa zana-drahavavin' i Maria tsy iray tampo aminy, antsoina hoe Maria Jakôbe, tamin' ny rahalahin' i Jôsefa atao hoe Klôpasy i Joda Zelota.

Ny lovatsofina katolika sasany dia manao an' i Joda Zelôta ho sady tsy rahalahin' i Jesosa no tsy ilay apôstôly mitovy anarana aminy fa anisan' ny mpianatr' i Jesoa, ao amin' ireo atao hoe "mpianatra fitopolo".

Araka ny lovantsofina, rehefa avy nitoriteny tao amin' ny faritr' i Palestina i Joda Zelôta dia nankany amin' ny tanin' ny Arabo, tany Siria, tany Mesôpôtamia ary tany Armenia. Milaza ny fitantarana fa niara-niasa tamin' i Simôna Zelôta izay nahita azy tao Mesôpôtamia izy, rehefa avy nitory teny "tany Barbaria", izany hoe tao amin' ny faritr' i Etiôpia.

Mifanipaka ny lovantsofina ny amin' ny toerana nahafatesan' i Joda Zelôta. Milaza ny ankamaroan' ny Kristiana fa maty maritiry tany Persia izy. Ny loharano armeniana kosa dia milaza fa novonoina tao amin' ny tananan' i Maku izay mbola teo ambany fifehezan' ny Fanjakan' i Armenia (ao avaratr' i Iràna ankehitriny) izy. Misy koa ny lovantsofina milaza fa nisy olona atao hoe Tadeo izay nalevina tao Beirota, ka ataon' ny Eglizy Katôlika fa ny apôstôly Tadeo izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]