Tabriz
38°04′48″N 46°17′31″E / 38.080000°N 46.291900°E
| Tabriz | ||
| Velarantany | NC | |
| Isan'ny mponina | 1 424 641 | |
| Tanàn-dehibe | ||
| Ben'ny tanàna | ||
| Firenena | ||
| Fanjakana | ||
| Faritany | Azerbaijàna Atsinanana | |
| Faritra | ||
| Tanàna mifanolo-bodirindrina | ||
I Tabriz dia tanàna ao amin' ny faritanin' i Azerbaijàna Atsinanana, ao amin' ny faritra avaratra-andrefana amin' i Iràna, eo amin' ny lalan' ny renirano Talkheh, akaikin' ny farihy Urmia. Any amin' ny haavo 1 370 m ambonin’ ny ranomasina no misy azy, izay ivo-toeran' ny taozavabaventy (fanamboarana fitaovana mekanika sy fitaovana mandeha amin' ny herinaratra, asa hoditra, fanadiovana solitany), sy ny raharaham-barotra ho an’ ny vokatra avy amin' ny faritra fambolena manodidina, ary koa fihaonan-dalana sy fihaonan’ ny lalamby. Ao no misy ny Môskea Manga (Masjed-e Kabūd) mahatalanjona, niorina tamin' ny taonjato faha-15, sy ny toerana mimanda naorina tamin' ny taonjato faha-14. Foibe ara-kolontsaina io tanàna io izay manana oniversite niorina tamin’ ny taona 1949.
I Tabriz ankehitriny dia naorina eo amin' ny toerana nisy an’ i Tauris (na Turus) fahiny, tanàna voaaro manda an' i Iràna fahiny. Simba be i Tabriz nandritra ny taonjato maro noho ny horohoron-tany, indrindra fa tamin' ny taona 858 sy 1041 ary 1721, ary ireo koa vokatry ny natan' ny Ilkanida sy ny Môngôliana ary ny Safavida nifandimby nanani-bohitra. Nobodoin' ny tafika rosiana ilay tanàna tamin’ ny taona 1827 sy 1828 ary tamin' ny 1946 izy no toeran' ny Repoblika Demôkratikan' i Azerbaijàna naharitra ela.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Ny isan' ny mponina dia 1 424 641 tamin' ny taona 2015[1], fa 1 558 693 kosa izany tamin' ny taona 2016.
