Taboara

Ny taboara dia zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae izay avy any amin' ny faritra mafana any Amerika Atsimo. Cucurbita maxima ny anarany ara-tsiansa. Ambolena mba hatao laoka afangaro anana ny voan' ny taboara izay azo hanina rehefa matoy. Iray amin' ny karazana voatavo dimy ambolena indrindra ity zavamaniry ity.
Avy any atsimo amin' i Amerika Atsimo (Arzantina, Orogoay) ity karazan-javamaniry ity. Amin’ ny tany mafana na manana toetany antonony rehetra no ambolena azy.

Maniry isan-taona ny taboara ary manana taho lava be sy mafy, mandady, mety mianika, ka mifikitra amin' ny alalan’ ny tangolika eny aminy amin' izay tohana rehetra ikasihany. Lehibe, feno, miendrika fo, mizara dimy boribory ny raviny. Miloko volomboasary manopy mavo ny voniny izay lahimbony sy vavimbony. Ny voany dia miovaova arakaraka ny zanakarazany, amin' ny bikany (boribory na somary lavalava, misy dongona, sns), amin' ny habeny (latsaky ny iray kilao ka hatramin’ ny 200 kg mahery), amin' ny lokony rehefa matoy (fotsy, mavo, volomboasary, mena, maitso, manga-maitso, sns. Matevina sy miloko volomboasary-mavo ny nofony. Fotsy sy somary lehibe (2 hatramin' ny 3 sm ny halavany) ny vihiny somary mivohitra, miendrika atody ary malama.