Voatango

Ny voatango dia karazan-javamaniry mamony, mandady, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Ny nofony dia manopy mavokely, manitra. Arakaraka ny fahamatoiny no maha mamy kokoa ny nofony. Mahatratra na mihoatra ny 2 kg ny voany. Cucumis melo ny anarany ara-tsiansa. Zavamaniry ahitra maniry isan-taona izy io, teratany aty Afrika intertrôpikaly, ary volena betsaka izy io mba hihinanana ny voany.
Tsy mihodinkodina amin' ny zavamaniry hafa ny tahony, nefa afaka mianika amin' ny tohana amin' ny alalan' ny tangolika tsotra ity zavamaniry ity. Fantatra amin' ny fananana elanelan-tonony fohy ireo izay nisy fiovana mahakasika ny fototarazo. Feno, somary boribory, indraindray ahitana toa vadidididy lalina ny raviny amin' ny ankapobeny. Ny hoe "voatango" dia manondro ihany koa ny voany, izay tena misy tsirony sy mamy ary manitra.