Sodifafana
Fiseho
Ny sodifafana dia zavamaniry mamony isan-karazany ao anatin' ny fianakaviana Crassulaceae sy Sapindaceae:
- Kalanchoe pinnata[1], na Bryohyllum calycinum teo aloha[2] (atao amin' ny teny malagasy hoe falatanantsifaona, malainana, rendadiaka, sodifafana, tsilafafa) ao amin' ny fianakaviana Crassulaceae;
- Kalanchoe prolifera[1] na Bryophyllum proliferum teo aloha (atao amin' ny teny malagasy hoe sodifafana, silafafa, na malaza) ao amin' ny fianakaviana Crassulaceae;
- Allophylus salignus (atao amin' ny teny malagasy hoe joniny, sodifafana, voafono, volafoty) ao amin' ny fianakaviana Sapindaceae[1].
Ohabolana malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Sodifafana ka atsipy vao manongalika.
- Tahaka ny sodifafana: nariana any an-kady, vao tsara faniry.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 3 "Sodifafana", in Boiteau Pierre sy Boiteau Marthe ary Allorge-Boiteau Lucile, Dictionnaire des noms malgaches de végétaux, Editions Alzieu, 1999
- ↑ "Sodifafana", in Régis-Rajemisa Raolison, Rakibolana Malagasy, Ambozontany, 1985