Kalanchoe pinnata
Ny Kalanchoe pinnata dia karazan-javamaniry matevin-dravina teratany eto Madagasikara, ao amin' ny fianakaviana Crassulaceae. Nampidirina any amin' ny faritra trôpikaly maro izay matetika lasa toa voajanahary ao ary indraindray lasa manafika ity zavamaniry ity. Ampiasaina ho fanafody izy io ary ambolena hanaovana haingon-trano. Maro ny anarany ara-tsiansa nahafantarana azy teo aloha, dia Bryophyllum calycinum sy Bryophyllum pinnatum. Atao hoe felatanantsifaona, malainana, rendadiaka, sodifafana ary tsilafafa izy io amin' ny teny malagasy.

Zavamaniry fanaovana haingo malaza izy io ary lasa maniry hoazy any amin' ny faritra trôpikaly. Ity karazana ity dia miavaka noho ny zanany madinika maro miforona eo amin' ny sisin' ny raviny, toetra iray itoviany amin' ny karazana sasany ao amin' ny Bryophyllum (tafiditra ao amin' ny antoko Kalanchoe ankehitriny).

Zavamaniry matevin-dravina sy velona maharitra an-taonany izy io, manodidina ny 1 m ny haavony, misy tahony miendrika varingarina misy nofony ary misy tsimoka manopy mena, izay misy voniny mandritra ny ampahany be amin' ny taona.
Tsinjara toerana
[hanova | hanova ny fango]Teratany eto Madagasikara ny Kalanchoe pinnata. Nampidirina sy lasa maniry hoazy any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly manana toetany mafana sy toetany antonony izy, manomboka amin' ny haabon' ny ranomasina ka hatramin' ny haabo 2 600 m, amin' ny toerana ambony vatolampy eny amin' ny ala trôpikaly maitso sy eny amin' ny ala trôpikaly maina, ary koa eny amin' ny ala an-tendrombohitra.
Hita any amin' ny faritra sasany any Azia, atỳ Afrika, any Aostralia, any Zelandy Vaovao, any Antilia, any Bermioda, any Makarônezia, ao amin' ny nosy Maskarena, any Brezila, any Sorinamy, any Nosy Galapagos, any Melanezia, any Pôlinezia, ary any Hawaii. Ao amin' ny ankamaroan' ireo faritra ireo, toa an' i Hawaii, dia heverina ho karazana manafika io zavamaniry io. Antony lehibe mampiely fatratra azy ny fitiavan' ny olona azy ho zavamaniry fanao haingo.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Fitsaboana
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina ao Trinidada sy Tobago ho fitsaboana nentim-paharazana amin' ny fiakaran' ny tosi-dra ny Bryophyllum pinnatum[1].
Amin' ny fitsaboana nentim-paharazana, ny ranon' ny raviny dia ampiasaina hanesorana ny vato ao amin' ny voa; na dia misy fikarohana mitohy sy porofo ara-tsiansa momba izany fampiasana izany aza dia ilaina ny fikarohana fanampiny. Any amin' ny Antilles françaises, ny Kalanchoe pinnata dia ampetaka amin' ny faritra manaintaina amin' ny loha marary[2].
Ho an' ny vahoakan' i Amazônia dia maro ny fampiasana ny Kalanchoe: ampiasain' ny Kreôla izy io rehefa avy nendasina mba hanasitranany ny areti-maso sy ny homamiadana, sy alona amin' ny rano mafana mba hitsaboana ny tazo. Ny vahoaka Palikora any Brezila sy any Guyane française dia manosotra ny ranon' ny Kalanchoe mifangaro amin' ny menaka voanio eo amin' ny handriny mba hitsaboana aretina an-doha[2].
Eto Madagasikara, ny sodifafana dia zavamaniry fanao ody rohana[3]. Anisan' ny zavamaniry mateza tsy mety maty ny sodifafana ka nambolen' ny ntaolo niaraka tamin' ny zozoro sy ny fandrotrarana teo amin' ny zorony avaratra atsinanana raha nanorin-trano izy"[3]. Ny ravina matevina (Kalanchoe pinnata sy Kalanchoe prolifera) dia hanin' ny biby sasany, anisan' izany ny sokatra[3]. Indraindray dia manao azy ho salady ny olona[4]. Anisan' ny tandindon' ny fahelavelona ho an' ny Malagasy izany[4].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Lans CA (2006). "Ethnomedicines used in Trinidad and Tobago for urinary problems and diabetes mellitus". J Ethnobiol Ethnomed. 2: 45. doi:10.1186/1746-4269-2-45. PMC 1624823. PMID 17040567.
- 1 2 Hermann Jacobsen, The Succulent Encyclopedia. 3. Edition. Fischer, Jena 1983, p. 275.
- 1 2 3 "Sodifafana", in Régis-Rajemisa Raolison, Rakibolana Malagasy, Ambozontany, 1985
- 1 2 "Sodifafana", in Boiteau Pierre sy Boiteau Marthe ary Allorge-Boiteau Lucile, Dictionnaire des noms malgaches de végétaux, Editions Alzieu, 1999