Siny
Fiseho

Ny siny dia fitoeran-javatra, vita amin' ny tanimanga, na amin' ny akora hafa, manana fiatiana mirefy litatra vitsivitsy, ampiasaina amin' ny fitahirizana sy fitaterana ranoka (rano, ronono, divay, sns), misy vozony tery sy sofiny iray na roa ahafahana mitondra azy sy manidina ny ao anatiny amin' ny alalan' ny vavany.
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka.
- Ny am-pon' ny siny mangatsiaka, fa ny am-pon' ny vilany mahamay.
- Ohatra ny sinibe vakin-tsiny, ka matin-jaza tezaina.
- Sinibe vakin-jinga, ka matin-jaza tinaiza.
- Izay manova fantsakana, vaky siny, ary ny manova fitàna lanin' ny mamba.
- Miala sasatra vao mandia loha ohatra ny siny.
- Miloloha rano roa siny.
- Rafotsibe vaky siny : zara raha tsy mahatratra ny hazon-damosina.
- Raha dobo tsy ho sahy siny aho, dia miketraka ho renirano.
- Siny vaky nantsakan-drano: ny siny aza vaky, ka rano ho tonga ?
- Sorohitra may trano, tsintsina vaky vilany: voin-kava mahatratra.Tokam-pilana hoatry ny siny : tsy manam-po afa-tsy ny rano. [2.415 #6386]
- Tokam-po ohatra ny siny, ka tsy manam-po afa-tsy rano.