Silasy (Testamenta Vaovao)

Avy amin'i Wikipedia
I Silasy

I Silasy dia mpikambana tao amin' ny fiangonana kristiana voalohany tany Jerosalema, mpikambana tao amin' ireo Fitopolo sady mpiara-dia amin' i Paoly avy any Tarsisy tamin' ireo dia lavitra nataony tany Antiôkia niaraka tamin' i Barnabasy (na Barnabe) sy ny diany faharoa nankany Galatia niaraka tamin' i Timôty (na Timôte). Niaraka tamin' i Paoly koa izy tamin' ireo diany tany Siria sy tany Kilikia (na Sikisia) sy tany Makedônia (na Masedoana). Atao hoe Σίλας / Sílas na Σιλουανός / Silouanós izy amin' ny teny grika.