Seranam-piaramanidin' i Tolagnaro

Avy amin'i Wikipedia
Seranam-piaramanidin' i Tolagnaro

Ny seranam-piaramanidin' i Tolagnaro (izay antsoina hoe koa Seranam-piaramanidina Marillac) dia seranam-piaramanidina ao Tolagnaro na Fort-Dauphin, ao amin' ny Faritra Anosy, eto Madagasikara. Telo kilômetatra atsimo-andrefan' ny afovoan-tanànan' i Tolagnaro no misy ilay seranam-piaramanidina.

Nitsahatra ny sidina iraisam-pirenena tamin' ny fahasahiranana vokatry ny COVID 2020-2021. Nisokatra indray anefa ny sidina mampitohy an' i La Reunion sy i Tolagnaro tamin' ny 4 Nôvambra 2022. Misy sidina indray mandeha isan-kerinandro avy any Saint Denis (La Réunion) mankany Tolagnaro ary isan' andro ny sidina Tsaradia mankany Antananarivo.

Fiaramanidin' ny Air Madagasikara, Boeing 737

Indreto ireo kômpania mampiasa na nampiasa ny fiaramanidiny tao amin' io seranam-piaramanidina io:

  • ny Tsaradia, izay mampitohy an' i Tolagnaro sy Antananarivo (seranam-piaramanidin' Ivato);
  • ny Madagascar Airlines, izay mampitohy an' i Tolagnaro amin' Antananarivo (seranam-piaramanidin' Ivato), amin' i La Réunion (ny seranam-piaramanidina Roland-Garros ao Saint-Denis), ary amin' i Toliara (seranam-piaramanidin' i Toliara);
  • ny Air Austral (izay mampitohy amin' ny serfanam-piaramanidin' i Toliara sy ny an' i La Réunion (seranam-piaramanidina Roland-Garros ao Saint-Denis).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]