Semanga (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Semanga manao fihainngoan' n mpandihy nentim-paharazana tany Kuala Sam, any Kelantan tamin' ny taona 1906.

Ny Semanga dia vondrom-poko ao amin' ny Saikanosin' i Malezia, izay anisan' ireo vahoaka atao hoe Negritô. Ao Perak sy Pahang sy Kelantan ary Kedah no ahitana azy ireo ao Malezia fa ao amin' ireo faritany atsimo kosa izy ao Tailandy. Efa talohan' ny taonjato faha-3 izy ireo no nanomboka nonina tao amin' ny Saikanosin' i Malezia. Vahoaka mpifindrafindra toeram-ponenana izy ireo, izay mivelona amin' ny fihazana sy ny fiotazana.

Ny Saikanosin' i Malezia

Ny Semanga dia avondrona ao amin' ireo foko hafa atao hoe Ôranga Asly (Orang Asli). Taloha izy ireo dia nifanakalo ara-barotra tamin' ireo mponina manodidina, nefa nisy fotoana izay nanararaotan' ny Maley azy ireo sy ny nanafihany ary nanandevozany azy ireo na nampandoavan' ny Maley azy ireo hetra. Taty aoriana, nandritra ny maherin' ny arivo taona dia nisy Semanga avy any amin' ny ala atsimo izay nandevozina sy nampiasaina mafy hatramin' izao andro vaovao iza, nandritra izany dia nitoka-monina ny sasany.

Fitenin' ny Semanga[hanova | hanova ny fango]

Miteny amin' ny iray amin' ireo fiteny semanga ny Semanga. Ireo fiteny semanga ireo dia ao amin' ny fiteny asliana izay sampan' ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika (tsy afangaro amin' ny fiteny aostrôneziana). Ireo fiteny ireo koa dia tenenin' ny vahoaka mifanolo-bodirindrina amin' ny Semanga, dia ny Senôy. Heverina fa avy any avarara nenrina nankany amin' ny Saikanosin' i Malezia ireo fiteny ireo, avy amin' ny fari-tanin' i Tailandy ankehitriny. Maro amin' ny Semanga ny miteny maley (fiteny aosrôneziana), ankoatry ny fiteniny. Maro ireo voanteny semanga manam-piaviana maley. Ny ankamaroan' ireo Semanga monina ao Tailandy no miteny taỳ (ao amin' ny fianakaviam-piteny tay-kaday).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]