Fiteny taỳ

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny taỳ (anarany eo an-toerana: ภาษาไทย [phaː˧.saː˩˦.tʰɑj˧]) dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny taỳ voasokajy ao amin'ny fiteny tai-kaday. Ny isan' ny mpiteny taỳ dia enimpolo tapitrisa. Ny fiteny taỳ dia teny ofisialin' ny Fanjakan' i Tailandy.

Fanoratana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny taỳ dia soratana amin' ny alàlan' ny abogida manokana (abidy taỳ ) avy amin' ny abidy kimera, navadika mba hahafahana manoratra tsara ny fiteny taỳ.

  • Izy io dia manana renifeo roapolo, soratana amin' ny alàlan'ny litera efatra ambin' ny efapolo, roa no tsy ampiasaina intsony;
  • Izy io dia manana zanapeo efatra ambin' ny roapolo, misy ny zanapeo misosona ho roa ary ny zanapeo misosona ho telo, soratana amin' ny alàlan' ny litera telo ambin' ny folo (zanapeo enina fohy, dimy lava ary diakritika zanapeo misosona manokana) ;
  • Ny haabom-peo dia miankina amin'ny renifeo safidiana, voazara ho vondrona telo ; asiana diakritika efatra mba hahafahana mampiditra teny vahiny sarotra soratana.

Ny fiteny taỳ dia soratana avy any ankavia mankany ankavanana, tsy misy fijanonan-tsoaratra, ary mety misy teny maro soratana miraikitra. Tsy mifandray ny litera. Tsy misy lohasoratra.

Fanononana[hanova | hanova ny fango]

Zanapeo[hanova | hanova ny fango]

Tabilaon' ny zanapeon'ny fiteny thai soratana amin'ny AAI
aloha anivo aoriana
mikatona i ɯ u
mikatona sasany e ɤ o
mivoha sasany ɛ ɔ
mivoha a ɑ

Renifeo[hanova | hanova ny fango]

Tabilaon'ny renifeon'ny fiteny thai soratana amin'ny AAI
bilabiales labiodentales alvéolaires post-alvéolaires palatales vélaires glottales
occlusives sourdes non-aspirées p t k ʔ
occlusives sourdes aspirées
occlusives sonores b d
affriquées (sourdes) ʨ
affriquées (sourdes) aspirées ʨʰ
fricatives (sourdes) f s h
nasales m n ŋ
latérales l
vibrantes (battue) r
spirantes j w

Haabom-peo[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny thai dia manana haabom-peo dimy : ambany [˨˩], afovoany [˧], ambony [˦˥], mihidina [˥˩] ary miakatra [˩˦].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Boky[hanova | hanova ny fango]

  • ASSIMIL, Introduction au thaï, nataon'i Watana Noonpackdee Butori sy Bernard G. Butori, (ISBN 2700520866)
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.