Aller au contenu

Sekema

Avy amin'i Wikipedia
Ny Tell Balata, toerana arkeôlôjika heverina fa nisy an' i Sekema

I Sekema na Sikema dia tanàna tranainy any Ampiposahana. Ankehitriny izy io dia toerana arkeôlôjika akaikin' ny tanànan' i Nablus any Jôrdania Andrefana. Amin' ny teny hebreo ity tanàna ity dia atao hoe שְׁכָם / Shekhem , izay midika ara-bakiteny hoe “lamosina" na "soroka".

Ny toerana nisy azy teo amin' ny lalana manelanelana ny Tendrombohitra Ebala sy ny Tendrombohitra Gerizima dia nahatonga azy io ho zava-dehibe amin' ny fanaraha-maso ny lalana ao amin' ilay faritra. Ity toerana ity, izay nisy npetraka nanomboka tamin' ny Andron' ny Varahina (4500-3200 tal JK), dia nilaozana tamin' ny faran' ny ampahany voalohany amin' ny Andron' ny Alimo. Nisy tanàna iray naorina tamin' ny ampahany afovoany amin' ny Andron' ny Alimo, tamin' ny voalohany tsy voaro manda, avy eo nasiana manda fiarovana. Tamin' io vanim-potoana io no nanononana ny anaran' i Sekema tao amin' ny tahirin-kevitra ejipsiana (Sekmem). Nisy nandrava tany amin' ny 1550 tal JK. i Sekema ary naorina indray ilay nanomboka tamin' ny tapona 1450 tal JK, nefa tsy nahatratra ny fadrosoany teo aloha. Nandritra ny Andron' ny Vy, i Sekema dia tanàna tao amin' ny Fanjakan' i Israely Avaratra, ary, araka ny Baiboly, dia izy no renivohitra voalohan' io fanjakana io.

Nihena ny tanjany tamin' ny fotoana nanjakazakan' ny Empira Persiana Akemenida, sy nandritra ny Vanim-potoana Helenistika taorian' ny fandresen' i Aleksandra Lehibe. Noravan' i Joany Hirkano mpanjakan' i Jodea izy tamin' ny taona 107 tal JK. Tamin' ny taonjato voalohany, ny emperora rômana Vespasiano dia nanorina ny tanànan' i Flavia Neapolis, 1,5 km avaratra-atsinanan' i Sekema, izay lasa foibe an-tanàn-dehibe tao amin' ilay faritra. Tamin' ny taona 636, taorian' ny fandresena sy fakan' ny Mozilmana an' i Siria-Palestina, dia novana anarana amin' ny teny arabo hoe Nablus izy (ny Frantsay, taonjato vitsivitsy taty aoriana, dia nanao azy hoe Naplouse).