Sederan'ny Paska
Ny Sederan'ny Paska na Sedera dia fombafomba ao amin'ny fivavahana jiosy mifamatotra amin'ny hevitra ara-tandindona miaraka amin'ny fetin'ny Paska jiosy, izay mikendry ny fampiainana ny mpandray anjara, indrindra ny zaza, ny fahazoana tampoka ny fahafahana taorian'ny taona maro nahandevozan'ny Zanak'i Israely tany Egipta, izany hoe ny fivoahan'ny Zanak'i Israely avy tao Egipta. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe סדר / Seder izay mlidika hoe "filaminana" izany. Anaovana sakafo sakafo fito ny Sederan'ny Paska.
Amin'ny faha-14n'ny volana Nisàna no ankalazana ny Sedera ao amin'ny tanin'i Israely, fa any amin'ireo Jiosy am-pielezana dia amin'ny faha-14 sy faha-15n'ny volana Nisàna no anaovana izany, araka ny Hagadà[1] novolavolaina nandritra ny taonjato maro. Ao amin'ny Misnà no ahitana ny foibem-panorenana io fomba io. Naka ampahany tamin'ny fomba fanao babiloniana koa izany nandritra ny vanimpotoan'ny Amoraima sy ny Geonima[2], ka nanaovana fandraiketana an-tsoratra nandritra ny Andro Antenantenany sady notovanana tamin'ny hira maro tamin'ny taonjato faha-16. Taty aoriana dia samy manana ny fivoasany azy ny Jiosy sionista sy ny Jiosy komonista.
Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]
- ↑ Ny Hagadà dia lahatsoratra amin'ny teny hebreo tranainy ampiasaina amin'ny Paska jiosy.
- ↑ Ny Amoraima (hebreo: אמוראים / Amoraim; tokana: אמורא / Amora) dia ireo manampahaizana momba ny Talmoda fa ny Geonima (hebreo: גאונים / Geonim na Gaonim; tokana: גאון / Gaon) dia ireo manampahefana na raby nanao ny Halakà.