Samanida

Avy amin'i Wikipedia
Ny haben' ny fanjakan' ny Samanida tamin' ny nahafatesan' i Nasr II tamin' ny taona 943.

Ny Samanida (izay fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Empira Samanida, Empira Samaniana, Emirata Samanida) dia empira mozilmana sonita persiana, nipoitra avy amin' ny mpanan-tany (dehqan) iraniana matanjaka. Tao Khorasan sy Transoxiana no foiben' ilay empira; tamin' ny fara-fiitarany dia nahafaoka ireto faritra sy firenana ireto ilay empira: i Afganistàna ankehitriny, ny ampahany be amin' i Iràna, i Torkmenistàna, i Ozbekistàna, i Kirgizstàna, i Tajikistàna, ary ampahany amin' i Kazakstàna sy i Pakistàna, nanomboka tamin' ny taona 819 ka hatramin' ny 999. Amin' ny teny persiana dia atao hoe سامانیان / Sāmāniyān izy ireo.

Mpirahalahy efatra - i Nuh, i Ahmad, i Yahya, ary i Ilyas - no nanorina ny Fanjakana Samanida. Samy nitondra faritany teo ambany fitondran' ny Abasida izy ireo. Tamin' ny taona 892, i Ismail Samani (892–907) dia nampiray ny Fanjakana Samanida teo ambanin' ny mpanapaka iray, ka nampitsahatra tamin' ny fomba mahomby ny rafitra tompomenakely nampiasain' ny Samanida. Tamin' ny fanapahany ihany koa no nahatonga ny Samanida tsy niankina amin' ny manam-pahefana abasida.

Ny Empira Samanida dia anisan' ny fanjakana niforona teo anelanelan' ny fandresen' ny Mozilmana an' i Iràna tamin' ny taonjato faha-7 sy ny fianjeran' ny Empira Sasanida, izay nahita ny fiforonan' ny kolontsaina persiana izay nitondra ny lahateny sy ny kolontsaina iraniana ho ao anatin' ny Tontolo Mozilmana. Nanampy tamin' ny fananganana ny kolontsaina torkô-persiana izany tatỳ aoriana.

Nampiroborobo ny zavakanto ny Samanida, nahatonga ny fandrosoan' ny siansa sy ny literatiora koa, ka nahasarika manam-pahaizana toa an' i Rudaki, i Ferdowsi, ary i Avicenna (Ibn Sina). Tamin' ny andron' ny Samanida I Bukhara dia nifaninana tamin' i Bagdad tamin' ny lazany. Nanamarika ny manam-pahaizana fa ny Samanida dia namelona indray ny fiteny sy ny kolontsaina persiana mihoatra noho ny Boiida sy ny Safarida nefa mbola nanohy nampiasa ny fiteny arabo ho an' ny siansa sy ny fandalinam-pivavahana.

Nihevitra ny tenany ho taranaky ny Sasanida ny Samanida. Tao amin' ny didy malaza iray dia nanambara toy izao ny manam-pahefana samanida: "eto, amin' ity faritra ity, ny fiteny dia persiana, ary ny mpanjakan' ity fanjakana ity dia mpanjaka persiana."

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]