Safarida

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny fanjakan' ny Safarida (taona 861 - 1003).

Ny Safarida dia tarana-mpanjaka persiana avy any amin' ny tapany atsinanana amin' i Iràna izay nanjaka tany amin' ny ampahany amin' i Persia, Khorasan Lehibe, sy ny atsinanana amin' i Makran nanomboka tamin' ny taona 861 ka hatramin' ny 1003. Iray amin' ny tarana-mpanjaka persiana voalohany nipoitra taorian' ny fanitaran-tany nataon' ny Mozilmana ny Safarida izay anisan' ny tarana-mpanjaka nipoitra teo anelanelan' ny fandresen' ny Mozilmana an' i Iràna tamin' ny taonjato faha-7 sy ny fianjeran' ny Empira Sasanida. Ny mpanorina an' io tarana-mpanjaka io dia i Ya'qub bin Laith as-Saffar, izay teraka tamin' ny taona 840 tao amin' ny tanàna kely iray antsoina hoe Karnin (na Qarnin), any atsinanan' i Zaranj sy andrefan' i Bost, any Afganistàna ankehitriny. Atao amin' ny teny persiana hoe صفاریان / Safaryan izy ireo.

Teratany avy any Sistan ary mpiady (ayyār) teo an-toerana i Ya'qub izay niasa tamin' ny naha mpandrendrika varahina (ṣaffār) azy talohan' ny nahatongavany ho mpiady. Noraisiny ny fifehezana ny faritr' i Sistan ary nanomboka nandresy ny ampahany be amin' i Iràna sy i Afganistàna, ary koa ny ampahany amin' i Pakistàna sy amin' i Tajikistàna ary amin' i Ozbekistàna izy.

Nampiasa an' i Zaranj renivohiny (ao Afganistàna ankehitriny) ny Safarida ho tobin' ny fanitaran-tany mahery vaika miantsinanana sy miankandrefana. Nanafika sy naka ny faritra atsimo amin' i Hindu Kush aloha izy ireo, ary avy eo nanongana ny tarana-mpanjaka Tahirida, ka nampiditra an' i Khorasan ho isan' ny tany feheziny tamin' ny taona 873. Tamin' ny fotoana nahafatesan' i Ya’qub dia naharesy sy naka ireto faritra sy tanàna ireto izy: ny Lohasahan' i Kabul, i Sindh, i Tocharistan, i Makran (Balochistan), i Kerman, i Fars, i Khorasan, ary saika tonga tany Bagdad saingy resin' ny Abasida avy eo.

Tsy naharitra ela ny tarana-mpanjaka Safarida taorian' ny nahafatesan' i Ya'qub. Resy tamin' ny ady tao Balkh nifanaovany tamin' i Ismail Samani (emira samanida ao Transoxiana) tamin' ny taona 900 i Amr bin Laith rahalahiny sady mpandimby azy. Voatery nanolotra ny ankamaroan' ny taniny azo teo aloha tamin' ireo mpitondra vaovao ireo i Amr bin Laith. Noho izany ny fahefan' ny Safarida dia voafetra tao amin' ny foiben' izy ireo ao Sistan, ary rehefa nandeha ny fotoana dia nihena ho ka lasa mpanjaka mpanompon' ny Samanida sy ny mpandimby azy ireo ny Safarida.