Aller au contenu

Repoblika Entim-Bahoakan' i Lugansk

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Luhansk)
Sainan' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Lugansk

Ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Lugansk na Repoblika Entim-Bahoakan' i Luhansk dia fanjakana mpisara-bazana avy amin' i Okraina, naorin' i Rosia tamin' ny taona 2014 tany amin' ny faritra tao amin' ny Ôbastan' i Luhansk izay misy azy, ary niova ho repoblika ao amin' ny Federasiônan' i Rosia tamin' ny taona 2022 taorian' ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fanakambanana tao Luhansk (na Lugansk) teo ambany fikarakaran' ny tafika rosiana. Amin' ny teny rosiana izy dia atao hoe Луганская Народная Республика / Luganskaia narodnaia respublika), fa amin' ny teny okrainiana kosa dia Луганська народна республіка / Luhanska narodna respublika.

Toerana misy ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Lugansk

Ny ampahany be amin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia tsy manaiky an' io repoblika io ho fanjakana mahaleo tena. Nataony renivohitra i Lugansk (na Luhansk) izay tanàna manana mponina maro anisa miteny rosiana any atsinanan' i Okraina any Donbass. Saika ny ampahany manontolo amn' ny Ôblastan' i Luhansk manontolo no voafehiny.

Tamin' ny 21 Febroary 2022 dia nanambara ny fankatoavan' i Rosia ny fahaleovantenan' ny repoblika roa ao Donbass i Vladimir Putin, anisan' izany ny an' i Lugansk. Io fanekena io no lohahevitry ny fanamelohana ao amin' ny Filankevi-Piarovan' ny Firenena Mikambana ary mialoha telo andro ny fananiham-bohitra nataon' i Rosia an' i Okraina tamin' ny taona 2022 izay nodidian' ny filoha rosiana.

Tamin' ny 30 Septambra 2022 dia nambara ny fampidirana an' ilay repoblika ho anisan' ny tanin' i Rosia, miaraka amin' ny fizaràn-tany voabodo hafa. Na i Okraina na ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia samy tsy manaiky ny satan' ity repoblika ity.