Ranomasin' i Marmara

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ranomasin'i Marmara)
Sarin-tanin' ny Ranomasin' i Marmara

Ny Ranomasin' i Marmara dia ranomasina hita eo anelanelan' i Eorôpa Atsinanana sy i Azia Minora (na Anatôlia) izay mampitohy ny Ranomasina Mainty amin' ny Ranomasina Mediteranea (na ny Ranomasina Egea, raha ny marimarina kokoa). Manana velarana mirefy 11 500 km2 izy ary mahatratra 1 261 m ny halaliny. Manamorona azy ao atsimo i Torkia ary eo amin' ny toerana misy hantsana izay miteraka horohorontany matetika izy. Mifandray amin' i Ranomasina Mainty ao avaratra izy amin' ny alalan' i Bôsfôra ary amin' ny Ranomasina Egea amin' ny alalan' ny andilan-tany Dardalenela. Prôpôntida (grika: Προποντίδα / Prompotida) na Prôpôntisy (grika: Προποντίς / Prompotis) no niatsoana azy taloha.