Ranavalona

Avy amin'i Wikipedia

Ranavalona no anarana niantsoana ny telo amin'ireo mpanjakavavy tao amin'ny Fanjakana merina teto Madagasikara:

  • Ranavalona Voalohany (Ranavalona I): nanjaka teo hatramin'ny taona 1828 ka hatramin'ny taona 1861. Niaro ny fomban-drazany izy ka nanohitra ny fomba avy any ivelany toy ny an'ny Eoropeana sy ny fivavahana kristiana ka niteraka fanenjehana mahery vaika ny Kristiana sy fandroahana Vazaha izany.
  • Ranavalona Faharoa (Ranavalona II): izy no nandray ny fivavahana kristiana ho fivavaham-panjakana tanteraka.
  • Ranavalona Fahatelo (Ranavalona III): izy no mpanjaka merina farany izay naongan'ny Frantsay nandritra ny fakana an'i Madagasikara.