Hankany amin'ny vontoatiny

Rainivoninahitriniony

Avy amin'i Wikipedia
Rainivoninahitriniony

I Rainivoninahitriniony (1824-1868) dia mpitondra fanjakana, praiminisitra tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara tamin' ny taona 1852 ka hatramin' ny 1861, niaraka tamin' Andrianisa Rainijohary, avy eo izy irery tamin' ny 1861 ka hatramin' ny 1864. Rainivoninahitriniony, izay Raharo no anarany tany am-boalohany, no nandimby an-dRainiharo rainy tamin' io andraikitra io, tamin' ny naha lehiben' ny Hova Tsimiamboholahy.

Tantaram-piainany

[hanova | hanova ny fango]

Talohan' ny naha praiminisitra azy dia jeneraly i Rainivoninahitriniony, ary ny diabe fanafihana ny Antefasy sy Antesaka tamin' ny taona 1852 izay nikasa hikomy.

Tamin' ny volana May 1863, rehefa avy nitalaho nandohalika tamin' ny mpanjaka Radama II izy mba hanova ny fanapahan-keviny nanao ho ara-dalàna ny fampiadina olon-droa izay natao handaminana disadisa misy eo amin' ny isam-batan' olona sy ny vondrona, dia nanapa-kevitra ny hitarika ilay fiokoana haùonoana ny mpanjaka izy. Nandray izany fanapahan-kevitra izany izy mba hahazoany indray ny fahefana mihavery.

Io famonoana mpanjaka io sy ny hamafin' ny pôlitikam-panarenana nataony anefa dia nahatonga azy tsy ho tiam-bahoaka. Nijanona ho praiminisitra izy ary lasa vadin' ny andriamanjaka vaovao, dia ny mpanjakavavy Rasoherina, izay zanak' olo-mpiray tam-po sy vadin' ny mpanjaka Radama II teo aloha.

Tamin' ny volana Jolay 1864 dia tezitezi-dava sy lasa mpisotro toaka izy, ka nesorina tamin' ny toeran' ny praiminisitra ary i Rainilaiarivony, izay zandriny sady komandin' ny tafika, no nasolo azy. Volana vitsivitsy taty aoriana, tamin' ny Febroary 1865, dia voampanga ho nikomy tamin' ny vadiny taloha Rasoherina izy, ary nohelohina ka natao sesitany tany Ambohimandroso, any amin' ny tanin' ny Betsileo, ary maty tany tamin' ny 5 Mey 1868.

Fanovozan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]
  • Nicolas Martin, Symboles royaux et rivalités à la cour de Radama II, Antananarivo, 2021, 92 pages.
  • Dominique Ranaivoson, Madagascar : dictionnaire des personnalités historiques, Sépia, Saint-Maur-des-Fossés ; Tsipika, Antananarivo, 2011 (2e éd.), p. 131 (ISBN 978-2-84280-101-4)