Rain' ny tany efitra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Rain'ny tany efitra)
I Paoly avy any Tebay mamangy an'i Antonio Lehibe

Ny Rain' ny tany efitra na Rain' ny Fiangonan' ny tany efitra dia ireo Rain' ny Fiangonana izay niaina tany amin' ny tany efitr' i Egipta. Na dia tsy dia nanoratra maro tahaka ireo Rain' ny Fiangonana hafa aza izy ireo dia nisy akony lehibe teo amin' ny fivavahana kristiana ny zavatra nosoratany. Maro amin' ny zavatra nolazain' izy ireo ny voangoana ao amin' ny boky atao hoe Apophthegmata Patrum ("Tenin' ny Rain' ny Fiangonan' ny tany efitra"). Ireto ny Rain' ny fiangonana malaza tany an' efitra:

Ny Rain' ny tany an' efitra malaza[hanova | hanova ny fango]

I Paoly avy any Tebay[hanova | hanova ny fango]

Araka an'i Hierônimo (na Jerôma) dia mpitoka-monina isan' ny malaza amin' ny fitokana-monin' ny monka (na moanina), manampy an' i Antônio Lehibe i Paoly avy any Tebay.

Araka an' i Omer Englebert dia teraka tao Egipta Ambony tamin' ny taona 227 sy maty tao amin' ny tany efitr' i Tebay tamin' ny taona 345 i Paoly Mpitoka-monina. Nitoka-monina i Paoly avy any Tebay nandritra ny 60 taona tao amin' ny lavabato mba tsy ho azon' ny fanenjehana ny Kristiana nataon' ny emperora Dekio. I Antonio Lehibe (na Antônio avy any Egipta), izay nahalala fa tsy izy no mpitoka-monina voalohany, dia nandeha hihaona aminy. Amin' ny fotoan' ny sakafo maraina dia nisy goaika nitondra mofo indroa mihinana ho an' ireo lehilahy roa ireo ka nanazava i Paoly fa sahala amin' izany no fomba fanomezan' Andriamanitra sakafo azy isan' andro. Maty i Paoly fotoana fohy taorian' ny fiaingan' i Antônio ka nalevina tao amin' ny lavaka nohadin' ny liona ny vatany.

I Antônio Lehibe[hanova | hanova ny fango]

Masindahy Antonio, sarimasina kopta.

Monka na moanina heverina fa rain' ny fitokana-monina kristiana i Antônio Lehibe (izay antsoina hoe Antônio avy any Egipta na Antônio Mpitoka-Monina). Teraka tamin' ny taona 251 izy ary maty tamin' ny taona 356 tamin' ny faha-105 taonany, teo am-pelantanan' ny mpianany roa, dia i Makariosy Zokiny (na Makario avy any Egipta) sy i Amatasy.

I Pakômio Lehibe[hanova | hanova ny fango]

Masindahy Pakômio

Heverina ho mpanorina ny fiainana ara-pivavahana iarahana (kenôbitisma) kristiana I Pakômio Lehibe (na Pakômio avy any Tabenesy). Teraka tany Tebaida tamin' ny taona 292 sy maty tamin' ny 9 Mey 348.

Avy amin' ny fianakaviana ambany fari-pivelomana izy sady notezaina tao amin' ny fivavahan' ny mpanompo sampy. Tamin' ny faha-20 taonany dia nalaina an-keriny hatao miaramilan' ny empira Rômanan' i Kônstantino hiady amin' ny Persiana izy. Tamin' ny taona 314 dia tafala amin' ny maha miaramila azy izy nefa tsy nanan-javatra hivelomana, dia noraisin' ny Kristiana tao Tebay. Niova ho kristiana izy ka natao batemy (na batisa). Araka ny lovantsofina maro dia maty tamin' ny 348 teo anelanelan' ny 3 sy 15 Mey izy tamin' ny nisian' ny areti-manringana nahazo ny mpitoka-monina tany Egipta nanomboka tamin' ny taona 346.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]