Aller au contenu

Dekio

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Dekio (emperora))
Ny emperora Traiano Dekio

I Dekio, na Traiano Dekio na Gaio Mesio Kointo Traiano Dekio dia emperora tao amin' ny Empira Rômana tamin' ny taona 249 ka hatramin' ny 251. Taraka tamin' ny taona 201 taor. J.K. izy ary maty tamin' ny volana Jona 251 taor. J.K. Atao hoe or Decius na Trajanus Decius na Gaius Messius Quintus izy amin' ny teny latina. Mpanao pôlitika niavaka tamin’ ny andron’ i Filipo Arabo i Dekio. Nandimby an' i Filipo Arabo izy izay niadiany sy nanaovany fikomiana. Nambaran’ ny miaramilany ho emperora izy rehefa avy nampitsahatra ny fikomiana tany Moesia (na Mesia). Tamin' ny taona 249 dia nandresy sy namono an' i Filipo tany akaikin' i Verôna izy ary neken' ny Antenimieran-doholona ho emperora.

Nandritra ny fotoana nanjakany dia niezaka nanamafy ny Empira Rômana sy ny fivavahany izy, ka nitarika ny "fanenjehana dekiana", izay namonoana ireo Kristiana malaza (anisan' izany ny papa Fabiano). Tamin’ ny taona farany nanjakany dia niara-nanjaka tamin’ i Herenio Etrosko (latina: Herennius Etruscus) zanany lahy i Dekio, mandra-pahafatin’ izy ireo noho ny famonoan' ny Gôty nandritra ny Ady tao Abrito.