Régie Malgache

Avy amin'i Wikipedia
Zotan'ny Régie Malgache tamin'ny 1934

Ny Service de la Navigation Aérienne de Madagascar izay fantatra amin'ny anarana Régie Malgache, dia orinasa fitaterana min'ny fiaramanidina frantsay izay nanana ny foibeny tao Antananarivo, Madagasikara. Natambatra tamin'ny 1937 izy tamin'i Lignes Aériennes Nord-Aricaines (LANA) ary ny Compagnie Transafricaine d'Aviation (CTA) mba hamorona ny Régie Air Afrique.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Tany ampiandohan'ny taona 1930, dia 25 hatramin'ny 40 andro ny fitaterana taratasy avy ao Madagasikara sy avy any Frantsa amin'ny alalan'ny sambo mandeha arina. Maro ireo efa nandeha fiaramanidina avy ao Frantsa nankany Madagasikara, ary efa namorona air-club sivily ny tao Madagasikara, fa tsy mbola nisy zotram-piaramanidina tena nipetraka. Mba hampahaingana ny fitaterana taratasy, ny governora jeneraly Léon Cayla dia nanao fangatahana tamin'ny Minisitry ny Rivotra mba hisian'ny zotram-piaamanidina avy ao Frantsa mankao Madagasikara ary avy ao Madagasikara mankany Frantsa. Neken'ny frantsay io zotram-piaramanidina vaovao io ary nomeny tirimôtera anankiroa SPCA 41T izay amboarin'ny Société Provençale de Construction Aéronautique (SPCA) tamin'ny 1934.[1] Nanatanteraka ny zotra mankany Madagasikara tamin'ny 13 Jiona hatramin'ny 13 Jolay 1934 ireo fiaramanidina roa ireo. Ny mpitondra ilay fiaramanidina dia René Lefèvre izay talen'ilay zotram-piaramanidina.[2]

Tamin'ny 29 Jolay 1934 no nisidinan'ny fiaramanidim-paositra voalohany izay nanao ny zotra Antananarivo-Broken Hill (Kabwe ankehitriny) izay tao Rodezia Avaratra[1]. Io zotra io dia nandalo tamin'i Mahajanga, Moçambique, Quelimane ary Tete, izay toerana ilalovan'ny zotra Cape Town hatrany Kairo.[3] Ilay sidina isan-kerinandro dia nitondra taratast 52 hatrain'ny 59 kg, izay nahafahan'ny taratasy avy ao Madagasikara ho tonga any Eoropa anatin'ny 10 na 15 andro.

Nosoloin'ny Régie Malgache Block MB.120 tamin'ny 1935 ilay fiaramanidina SPCA, ary tonga hatrany Elisabethville ny zotra; ary avy eo indray miray zotra amin'i Imperial Airways.[1] Tamin'ny taona 1935, mpandeha 22, entana 768 kg ary taratasy 6 768 kg no voatatitr'ilay zotram-piaramanidina.[4]

Naitatra hankany Alger ary Marseille ny zotra tamin'ny 27 Mey 1936. Tamin'ny 1 Novambra 1936 dia nanomboka nitondra mpandeha miaraka amin'ny Air France ary Régie Air Afrique ny Rége Malgache[1]. Ny servisy an-tranon'ny Régie malgache dia nanao ny zotra Antananarivo-Morondava-Toliara-Taolagnaro-Ihosy-Antananarivo.[1] Tamin'ny taona 1936 dia 182 no mpandeha, 4 228 kg ny entana ary 3 496 kg ny taratasy voatatitra.

Tamin'ny 1 Septambra 1937 dia voavidin'ny Régie Air Afrique izay nanao ny zotra avy ao Antananarivo hatrany Brokeny Hil ny Régie Malgache. Notohizan'ny service de l'Aéronautique Civile ny zotra an-trano.[1]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 1,1 1,2 1,3 1,4 et 1,5 Guttery, Ben R. (1998). Encyclopedia of African airlines. p. 115. ISBN 0786404957
  2. Pénette, Jean Pierre; Pénette Lohau, Christine (2005). Le livre d'or de l'aviation Malgache, p. 16. ISBN 9782952364607
  3. "Air Transport & Commerce: French Service to Madagascar". Flight: 456. 10 May 1934. http://www.flightglobal.com/pdfarchive/view/1934/1934%20-%200456.html. 
  4. Pénette 2005, pp. 20–22.