Ptôlemaiôsy XII

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ptolemaiosy XII)
Sarivongan' i Ptôlemaiôsy XII Aoletesy

I Ptôlemaiôsy XII na Ptôlemaiôsy XII Aoletesy na Ptôlemaiôsy XII Neosy Diônisôsy dia mpanjaka sy faraon' i Egipta avy tamin' ny dinastia lagida izay nanjaka tamin' ny taona 80 hatramin' ny 58 tal. J.K. sy tamin' ny taona 55 hatramin' ny 51 tal. J.K. Nandimby an' i Ptôlemaiôsy XI izy ary nodimbiasin' i Berenika IV.

Teraka tamin' ny taona 117 na 116 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 51 tal. J.K. Zanak' i Ptôlemaiôsy IX Sôtera II tamin' i Kleôpatra IV izy. Lava be ny anarany ka amin' ny teny grika dia atao hoe Πτολεμαῖος Νέος Διόνυσος Θεός Φιλοπάτωρ Θεός Φιλάδελφος (azo soratana amin' ny abidy latina hoe Ptolemaios Néos Diónysos Theós Philopátōr Theós Philádelphos) izay midika hoe "Ptôlemaiôsy Diônisôsy Vaovao, Andriamanitra tian' ny Rainy, Andriamanitra tian' ny Rahalahiny". Ny tovan' anarany hoe Αὐλητής / Aulêtês dia midika hoe "mpitsoka sodina".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]