Ptolemaiosy X

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sarivongan'i Ptolemaiosy X Aleksandra

I Ptolemaiosy X na Ptolemaiosy X Aleksandra I Filometora dia mpanjakan'i Egipta izay nanapaka tamin'ny taona 107 tal. J.K. hatramin'ny taona 88 tal. J.K. Isan'ny dinastia lagida izy. Rehefa avy nampamony ny reniny izy dia niara-nanjaka tamin'i Berenike III Kleopatra Filopatora vadiny. Zanaka lahy faharoan'i Ptolemaiosy VIII Evergetesy II Trifona sy i Kleopatra III Evergetesy Filometora izy. Tsy fantatra ny daty nahaterahany, nefa mety teo anelanelan'ny taona 140 sy 139 tal. J.K. Maty tamin'ny taona 88 tal. J.K. izy. Amin'ny teny grika dia atao hoe Πτολεμαῖος Ἀλέξανδρος / Ptolemaĩos Aléxandros.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo mpanjaka lagida nifandimby[hanova | hanova ny fango]

Ptolemaiosy I - Ptolemaiosy II - Ptolemaiosy III - Ptolemaiosy IV - Ptolemaiosy V - Ptolemaiosy VI - Ptolemaiosy VII - Ptolemaiosy VIII - Ptolemaiosy IX - Ptolemaiosy X - Ptolemaiosy XI - Ptolemaiosy XII - Berenike IV - Kleopatra VII - Arsinoe IV - Ptolemaiosy XIII - Ptolemaiosy XIV - Ptolemaiosy XV.