Polaara (fiteny)

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny polaara dia karazana ao amin' ny fiteny folany, ampiasain' ny vahoaka Folany, indrindra any Senegaly, any Ginea, any Ginea-Bisao, any Gambia, any Maly ary any Maoritania. Ny fiteny polaara dia tenenin' ny sokajin-taona rehetra, amin' ny ankamaroan' ny sehatra. Miteny frantsay sy diôla-fôny ihany koa ny sasany amin' ireo mpiteny polaara ireo. Io fiteny io koa dia ampiasain' ny mpiteny gosilay, mlômpo, saafy, soninke ary kôniagy ho fiteny faharoa.

Fiteny voalohan' ny vahoaka Folany sy Tokolera ao amin' ny lohasahan' ny ony Sénégal, izay fantatra amin' ny anarana hoe Futa Tooro, ary any atsimo sy atsinanana, ny fiteny polaara. Mipetraka any Senegaly, any Maoritania, any Gambia, ary any amin' ny tapany andrefan' i Maly ny mpiteny polaara. Ny mpiteny polaara roa lehibe dia ny vahoaka Tokolera sy Folany.