Patagônia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Patagonia)
Sarin-tany maneho an' i Patagônia

I Patagônia dia faritra ara-jeôgrafia ao amin' ny telozoro amin' ny tapany atsimon' i Amerika Atsimo izay zarain' ny firenena roa, dia i Silia ao andrefana sy i Arjentina ao atsinanana. Mahafaoka ny tapany atsimon' i Silia (izay atao hoe Patagônia siliana) sy ny tapany atsimon' i Arjentina (Patagônia arjentina) i Patagônia, izay manana velarana mirefy 800 000 km2 any ho any. Ireo faritra roa ireo dia sarahan' ny Cordillera de los Andes, izay ahitana tendrombohitra, toeran-dranomandry, pampa, alam-paritra manakaiky tendrontany, sisin-dranomasina, nosy sy tangoro-nosy maro. Misy Amerindiana miisa 10 000 any ho any monina ao Patagônia ka anisan' izany ny Mapuches. Anisan' ny faritra vitsy mponina indrindra eran-tany i Patagônia satria 3,8 olona isaky ny km2 ny hakitroky ny mponina (3 ny any Siberia ary 0,46 ny any Alaska). Ny fiompiana atao amin' ny toerana atao hoe estancias no tena atao any. Maro mpitsiriritra i Patagônia noho ny fananany harena ara-javaboary.