Oranosy

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny fajiry Uranus

Oranosy dia fajiry na planeta faha fiton'ny Masoandro. Faha telo amin'ny hangeza ary faha efatra amin'ny lanja. Avy amin'ny anarana grikan'ny Andriamanitry ny lanitra Oranosy (Οὐρανός) ny anarany, ny ray Kronosy (Satorna) ary dadaben'i Zeosy (Jopitera). I Oranosy no fajiry voalohany hita tamin'ny andro moderna. Na dia hita maso ohatra ny fajiry dimy tsotra aza izy, ny tondro ara-pajiriny dia tsy fantatra tsara noho izy zara fa manjelatra (hazavana anelanelan'ny 5,3 sy 5,7 na manodidin'ny 6). Nilaza ny fahitany i William Herschel tamin'ny 13 Martsa 1781. Oranisy ny fajiry hita voalohany tamin'ny teleskôpy.


I Oranosy sy i Neptona dia fajiry manana laha-tombo samihafa amin'ny fajiribe tahaka an'i Jopitera sy i Satorna. Sokajian'ny astrônôma anaty sokajy manokana izy: fajiry mivaingana (planetan-dranomandry), na zana-pajiribe (sous-géantes). Ny atmosferan'i Oranosy, na dia misy hidirôzenina sy helioma aza, misy ranomandry, amôniaka, metana, ary hidirôkarbiora. Amin'ny fajiry rehetra an'ny Masoandro, i Oranosy no manana soson-drivotra mangatsiaka indrindra, ny hatsiaka farany mangatsiaka indrindra dia 49 K (-224 °C), any amin'ny tropopaozy (haambo 56 km sy 0,1 bar). Manana rafi-drahona larolaro izy : misy rano ny rahona any amin'ny sosona ambany, ary misy metanina any amin'ny sosona ambony.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Miteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.