Aller au contenu

Nono (an' ny olombelona)

Avy amin'i Wikipedia
Nonom-behivavy

Ny nono dia iray amin' ny faritra roa misongadina eo amin' ny tapany ambonin' ny vatan' ny olombelona sy ny rajako ary ny amboanala na maky sy ny mitovitovy aminy. Samy mampivoatra nono avy amin' ny selam-pitaovan' ny fanjary tsaika mitovy ihany ny lahy sy ny vavy. Fanavahana ara-pananahana faharoa lehibe eo amin' ny lahy sy ny vavy ny habe sy ny fivoaran' ny nono.

Ao amin' ny vavy dia miasa ho fihary ronono ny nono ka mamokatra izany ho an' ny zazakely. Mamono sy mandrakotra ny tambajotram-pantsona mitambatra eo amin' ny lohanono ny tavy ambany hoditra, ary ireo tavy ireo no manome habe sy bika boribory miavaka ny nono. Mandritra ny fitondrana vohoka dia manoina ny fanairan' ny hôrmônina maro ny nono, anisan' izany ny estrôzenina sy ny prôzesterônina ary ny prôlaktinina, izay miantoka ny fahavitan' ny fivoarany, izany hoe ny fahatoizany, ho fanomanana ny famokarana ronono sy ny fampinonoana.

Ny olombelona no hany biby manana nono mivoatra ela eo amin' ny vavy. Amin' ny fahamaotiana dia miteraka fitomboan' ny nono maharitra amin' ny vehivavy ny estrôzenina, miaraka amin' ny fitombon' ilay hôrmônina. Kely kokoa izany amin' ny rajako sy ny amboanala sy ny mitovitovy aminy - ny fivoaran' ny nono amin' izy ireo dia matetika mitranga amin' ny fitondrana vohoka.

Ankoatry ny anjara asa lehibe sahanin' ny nono amin' ny fanomezana sakafo ny zazakely dia kolontsaina maro no mamaritra anjara toerana ara-tsôsialy sy ara-nofo ho an' ny nonom-behivavy ary misy ny mihevitra ny nono miboridana imasom-bahoaka ho tsy maotina na tsy mendrika. Nasongadina tamin' ny sary sokitra sy ny hosodoko ary saripika taloha sy ankehitriny ny nono. Afaka mandray anjara amin' ny fiheverana ny vatan' ny vehivavy sy ny fisarihana ara-nofo avy amin' ny vehivavy ny nono. Faritra mora taitra amin' ny firaisana ara-nofo ny nono, indrindra fa ny lohanono.