Ninie Doniah
| Bezara Virginie Eliane (Ninie Donia) | ||
| Ankapobeny | ||
| Anarana | Bezara Virginie Eliane (Ninie Donia) | |
| Teraka | 1967 | |
| Toerana | Nosy Be | |
| Fiaviana sy ny andraikitra | ||
| Firenena | Madagasikara | |
| Asa : | Mpihira/Mpamorona | |
| Asa hafa | Mpikatroka amin'ny zon'olombelona | |
| Fiainana manokana | ||
I Ninie Donia teraka Bezara Virginie Eliane dia vehivavy mpihira malagasy sady mpamoron-kira amin' ny mozika salegy izay avy any amin' ny morontsiraka avaratr' i Madagasikara, anisan' izany i Nosy Be izay toerana nahaterahany. Avy amin’ ny fianakaviana mpiangaly mozika izy: mpihira malaza amin’ ny vako-drazana jijy antankarana ny renibeny. Teraka tamin' ny taona 1967 izy ary maty tamin' ny 19 Nôvambra 2023.
Ny mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]Ny anarana Donia amin'ny fiteny Antakarana dia midika hoe fiainana tsara.[1]
mozika
[hanova | hanova ny fango]Mpiangaly ny mozika nenti-paharazana salegy izy, Ary efa nantsoina hoe "Mpanjakavavin' ny Salegy", raha i jaojoby no "Mpanjakan' ny Salegy"[2] .’ Efa nitondra avo Ity gadona malagasy Ity hatrany ampitan-dranomasina i Ninie Donia.
Efa maherin' ny enina ny raki-kiran' Doniah nanomboka tamin' ny tapaky ny taompolo 1990 [3]ary nanohy nitety an' i Madagasikara sy ny nosin’ ny Ranomasimbe Indiana izy.
zon'olombelona
[hanova | hanova ny fango]Ankoatry ny maha mpihira azy dia mpikatroka mafana fo amin' ny fiarovana ny zon' ny vehivavy izy ary nanohana tolona ara-pôlitika iadiana amin' ny fakana tsy ara-drariny tanin' olona tao Nosy Be.[4] Nahazo sazy higadra mandritra ny iraika ambin' ny folo volana izany amin' ny fiampangana azy ho manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovam-pirenena. Araka ny filazan' ny talen' ny fonja dia voan' ny homamiadan' ny sarakaty izy i Ninie Donia ary maty teny an-dàlana avy ao am-ponja raha ho any amin' ny hôpitaly izay tokony hitsaboana azy any Antsiranana. Nodimandry tamin' ny 19 Nôvambra 2023[5] teo amin' ny faha-56 taonany i Ninie Doniah.[4][6]
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ https://www.voyagemadagascar.com/le-festival-donia
- ↑ https://la1ere.franceinfo.fr/mayotte/madagascar-tristesse-et-colere-apres-la-mort-de-la-chanteuse-ninie-doniah-1445309.html
- ↑ https://www.linfo.re/ocean-indien/madagascar/madagascar-ninie-donia-la-reine-du-salegy-est-morte
- 1 2 https://www.agencemalagasydepresse.com/editorial/ninie-donia/
- ↑ https://www.rfi.fr/fr/afrique/20231120-madagascar-la-chanteuse-ninie-doniah-est-morte-%C3%A0-l-%C3%A2ge-de-56-ans
- ↑ "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2025-10-02. Retrieved 2026-04-16.