Salegy

Avy amin'i Wikipedia
Fampisehoana nataon' ny tarika Jaojoby, "mpanjakan' ny salegy"

Ny salegy dia karazana mozika malagasy, anisan' ny mozikan' i Afrika atsimon' i Sahara any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefana amin' i Madagasikara. Ankehitriny ny salegy dia nahazo ny lazany eo amin' ny tsena iraisam-pirenena. I Eusèbe Jaojoby, izay mpihira sakalava avy any Anboahangibe, no tena nipoiran' ny fiangaliana azy miavaka ary nomena ny anarana hoe "mpanjakan' ny salegy". Ny endriky ny salegy malaza amin' izao fotoana izao dia avy amin' ny mozika nentim-paharazana any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara manodidina an' i Mahajanga sy i Antsiranana tamin' ny taompolo 1950. Nampalaza ny salegy ny sanganasan' i Jaojoby sy ireo vao haingana toa an' i Ninie Doniah, i Vaiavy Chila ary Dr. J.B. ary ny Jaguars.

Ny fomba fiangaliana azy dia mafonja, anjakan' ny gitara elektrika sy ny angorodao tena izy na anty sentetizera, ary fampiaraham-peo miantso sy mamaly manao rodobe, tohanan' ny gitara beso sy ny amponga maro anaka. Ny salegy dia mozika somary haingana ary misy rafi-gadona miavaka hamafisin' ny amponga tandrefana, misy gadona 6/8 na 12/4 miaraka amin' ny tsindrin-gadona eo amin' ny paika faha-3 na faha-7. Ny hira sy ny rindram-peo dia matetika mifototra amin' ny fanalahidy A minera izay azo heverina fa avy amin' ny mozika arabo. Heno eny amin' ny toeram-pandihizana alina, amin' ny kabare, amin' ny lanonana sy dihy manerana ny Nosy ny feon' ny salegy.

Ny salegy dia karazan' ny antsa betsimisaraka sy tsimihety saingy ampiarahina amin' ny zavamaneno hamafisim-peo amin' ny herinaratra. Iraisan' izy ireo ny gadona sy ny fomba fiangaliana ny feo ary ny fitiavana ny fanalahidy minera (izay mifanohitra amin' ny mozikan' ny afovoan-tany izay anjakazakan' ny fanalahidy mazera). Ny firafitry ny antsa amin' izany manasongadina ny ampahany afovoany antsoina hoe "folaka" izay sahanin' ny zavamaneno manokana ka ny mpihira amin' izany dia tsy manao afa-tsy manentanana amin' ny fandihizana mafy kokoa sy mitehaka miaraka amin' ny mpandihy manaraka ny gadon' ny mozika.

Mpanakanto sy tarika[hanova | hanova ny fango]

  • Anziza Salema
  • Arsène Félix
  • Dr J. B. and the Jaguars
  • Fenoamby
  • Jaojoby
  • Fredy de Majunga
  • Gérard Tsapalôko
  • IO Anay
  • Jaojoby Junior
  • Joacin-tapaka
  • Lazard
  • Mily Clément
  • Mister Rotsirotsy
  • Ninie Doniah
  • Olga del Madagascars
  • Paskaal Japhet
  • Tianjama
  • Vaiavy Chila
  • Wawa
  • Dady Love