Nicolas Copernic
Apparence
I Nicolas Copernic (amin'ny teny poloney : Mikołaj Kopernik ; teny latina : Nicolaus Copernicus) teraka tamin'ny 19 Febraory 1473 tany Toruń, (Fanjakan'i Polonia) ary maty ny 24 Mey 1543 tany Frombork (Fanjakan'i Polonia) dia dokotera ary mpahay hainkintana poloney izay nalaza tamin'ny teôria navoakany mikasika ny fisian'ny Masoandro eo afovoan'Izao Tontolo Izao ary ny fihodinan'ny Tany manodidin'ny Masoandro. Ny vokatr'iazany teôria izany —izay manova lalina ny fomba fijery eken'ny Fiangonana Katôlika tamin'izany fotoana izany— dia antsoana revôlisiôna kopernisiana.