Ardasira I: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Mpanjka sasanida
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 6 Janoary 2020 à 12:01

Sary sokitra maneho ny nametrahan'ny andriamanitra Ahora Mazda an'i Ardasira I eo amin'ny fitondrana.

I Ardasira I dia mpanjakan'i Persia tamin'ny taona 224 hatramin'ny taona 241 izay nanorina ny fianakavia-mpanjaka sasanida, sady zafikelin'i Sasàna. Ny rain'i Ardasira I dia niantso tena ho governoran'ny iray amin'ny faritr'i Persia, satria nanompo ny mpanjaka partiana arsakida izy.

Mety hantsoina hoe Ardesira, Ardasera, Ardasesy, Artakserksesy na Artakserka I koa izy. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Αρταξέρξης / Artakserksês koa.

Rehefa maty ny rainy tamin'ny taona 212 dia nandimby azy i Ardasira I sady namono ireo rahalahiny, niady tamin'ireo mpanjaka mpanompo mpifanolo-bodirindrina taminy izy ka tamin'ny taona 224 dia voaongany ny "mpanjaka lehibe" Artabàna V (nanjaka tamin'ny taona 213 hatramin'ny 224), nandritra ny ady nifanaovany taminy tao Hôrmoza. Niantso tena ho "mpanjakan'ny mpanjaka" (emperora) i Ardasira I taty aoriana sady niezaka namerina indray ny firaisan'ny Empira persiana araka ny fomban'ny Akemenida tamin'ny Andro Taloha. Nataony fivavaham-panjakana ny mazdeisma ka nanorina renivohitra vaovao izy, dia i Ktesifôna, izay miorina eo amoron'i Tigrisy sy teo amin'ny niorenan'ny Seleokia. Tamin'ny faramparan'ny andro niainany i Ardasira I dia nitondra tafika niady matetika tyamin'ny Empira rômana nefa tsy nahita fahombiazana. Nandimby azy i Sapôra I zanany. Nohajaina sahala amin'ny andriamanitra i Ardasira I fahavelony, ka taty aoriana dia nanjary olo-malaza teo amin'ny angano sy fedrà persàna.